<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>646</hymn_number>
<title>Na aiza no alehako FFPM646</title>
<lyrics>[V1]
 Na aiza no alehako,
 Dia misy izay ahina,
 Fa be ny fahavaloko
 Mahery sy kirina.
 Mikendry fatratra
 Ireo mpamitaka,
 Ka dia hazoniko ny to,
 Na aiza no alehako.

[V2]
 Na aiza no alehako,
 Dia misy ady mafy ;
 Ny ota hotoheriko,
 Hataoko tena rafy ;
 Ny fahoriana,
 Izay fikapohana,
 Tsy maintsy hiaretako,
 Na aiza no alehako.

[V3]
 Na aiza no alehako,
 Ny fasana mangina
 Miandry eo alohako,
 Fa aloka ny aina
 Sy toy ny zavona
 Malaky levona ;
 Izany no tsaroakao
 Na aiza no alehako.

[V4]
 Na aiza no alehako,
 Momba ahy ny anjely,
 Ka tsy mba hatahorako
 Satana izay mpamely,
 Ry izao tontolo izao,
 Ho resy hianao,
 Anjely re ho namako
 Na aiza no alehako.

[V5]
 Na aiza no alehako,
 Jesosy no kiady ;
 Ny ratrany no aroko
 Sy herin'ny mpiady.
 Ny dian-tongony
 Arahiko atý,
 Ka fandresena azoko
 Na aiza no alehako.

[V6]
 Na aiza no alehako,
 Ny lanitra andrandraiko,
 Ka ravo ny fanahiko,
 Fa ao ny Tompon'aiko,
 Ry izao tontolo izao,
 Ny voninahitrao
 Dia vovoka hitsahiko ;
 Ny lanitra ao alohako.</lyrics>
</song>